FIFAMPIARAHABANA TRATRY NY TAONA 2026 TEO ANIVON’NY MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
Tontosa androany, alarobia faha 14 janoary, ny fifampiarahabana tratry ny taona teto amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Vory lanona tokoa ny fianakaviam-ben’ny Fahasalamana tamin’ity fotoana manan-danja ity.
Ny Tale Jeneraly misahana ny Fisorohana ara-pahasalamana, Dr. RAKOTOARIMINO Andrianina Désiré, no nitondra ny teny nisolo tena ireo mpiasa rehetra. Tamin’izany no nitondrany ny teny fiarahabana sy firarian-tsoa ho an-dRamatoa Minisitra, Dr. MANAGNA Monira, ho fanehoana ireo soatoavina malagasy mifototra amin’ny fihavanana sy ny fanajana ny ray aman-dreny.
Raha nandray fitenenana kosa Ramatoa Minisitra dia nisaotra ny ezaka vita hatramin’izay ary nanentana ireo mpiara-miasa rehetra, tsy an-kanavaka, mba hiray hina sy hifampitantana amin’ny ady atao hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina Mpox.
Ndao hifanantona, ndao hiara-dalana ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy rehetra.
Nofaranany tamin’ny teny fisaorana ireo mpiara-miasa rehetra ny lahateniny, noho ireo fanomezana natolotra azy nandritra ity fotoana ity.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA
DIRCOM 14-janv.-2026