FANOKANANA NY TRANO FITSABOANA ZAZA (BÂTIMENT PÉDIATRIQUE) AO AMIN'NY CENTRE HOSPITALIER UNIVERSITAIRE MÈRE ENFANT AMBOHIMIANDRA

FAHASALAMAN'NY RENY SY NY ZAZA FOTOTRA IANKINAN'NY AINA

Ny Reny no loharano ipoiran'ny aina, ary ny Zaza tokoa ny hoavin'ny Firenena, ka rariny tokoa raha miara mifandrimbona mifanome tanana ny an-kolafin-kery rehetra ny amin'ny fanohanana ny tolotra ara-pahasalamana mifanandrify amin'izany Fahasalaman'ny Zaza izany.

Anisan'ny toeram-pitsaboana eto Analamanga, mandray an-tanana ny fitsaboana Zaza ny ao amin'ny CHU Mère Enfant Ambohimiandra, izay efa ela niorenana, tany amin'ny manodidinan'ny taona 1923 tany hoany.

Nisy ny fanorenana trano vaovao, natao hanamafisana sy hanatsarana ny kalitao ny tolotra ara-pahasalana ho an'ny Zaza ary indrindra hanampy tanteraka ireo mpiasan'ny fahasalamana amin'ny fitsaboana ireo sombiniain-tsika.

Fiaraha-miasa niaraka tamin'ny FONDATION AXIAN, Tetik'asa Miahy Jovena no nahazahoana izao vokatra manakaiky vahoaka izao.

"BÂTIMENT PÉDIATRIQUE" no natao anarin'ity trano ity ary ahitana efitrano maromaro toy ny efitrano fiandrasana sy filankevitra,nfijerena sy fitsaboana, fandrian'ny marary ary toeram-pivoahana sy fidiovana. Ho vatsiana fitaovana avy hatrany izy ity ka vinavinaina handray marary manodidina ny 60 isa ao anatin'ny iray volana.

Nanome voninahitra ny lanonana Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira, notronin'ireo Tompon'andraikitra isan-tsokajiny avy ao amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ny avy ao amin'ny mpiara-miombon'antoka ary ireo mpiara-miasa tao amin'ny CHUME Ambohimiandra.

Nasongadin-dRamatoa Minisitra fa tafiditra tanteraka ao anatin'ny laharam-pahamehan'ny Fitondram-panjakana ny fanomezana tolotra ara-pahasalana tsara kalitao ho an'ny neny sy ny sombiniainy.

MIASA MIARAKA ISIKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

DIRCOM 17-janv.-2026

Zoom sur

Nos autres Activités