MIASA HATRANY NY MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA HIARO NY VAHOAKA AMIN'NY ALALAN'NY COUSP AMIN'NY ADY ATAO AMIN'NY VALANARETINA NENDRAN-DRAJAKO

Ao anatin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny aretina MPOX (nendran-drajako) dia notarihin’ny Professeur MAMY RANDRIA, INCIDENT MANAGER COUSP CENTRAL, ny fivoriana fanentanana sy fampahafantarana niarahana tamin’ireo holafitry ny mpitsabo, farmasiana, mpampivelona ary ny vétérinera.

Tanjona amin'izany ny hifampizarana traikefa sy hampitomboana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra rehetra ary ny hanamafisana ny fiaraha-mientana amin’ny fisorohana sy fifehezana ny aretina.

Noho izany dia nampahafantarina mazava tsara ny fomba fitrangan’ny aretina Mpox : ny fisehony sy ireo soritr’aretina ary ny faharetan'ny aretina.

Tsy natao ambanin-javatra ihany koa ireo fepetra rehetra raisina hiarovana amin’ny fifindrany.

Miasa, mirotsaka ary manakaiky vahoaka hatrany ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ho fiarovana ny aina sy ny hoavin’ny Firenena.

MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA FIRENENA.

DIRCOM 21-janv.-2026

Zoom sur

Nos autres Activités