FIZARANA VITAMINE A HO AN’NY ZAZA : JERY TODIKA TAO AMIN'NY FARITRA SOFIA
Notanterahina ny jery todika momba ny enim-bolana faharoa amin’ny taona 2025, mikasika ny fizarana Vitamine A, teo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Sofia.
Nandray anjara tamin’izany ireo distrika fito (07) tao anatin’ny Faritra, notohanan’ny Helen Keller International (HKI).
Nasehon'ny tatitra fa tratra ny tanjona napetraka, ka 80% n’ireo zaza latsaky ny dimy taona no nisitraka ny Vitamine A.
Na izany aza, mbola ilaina ny fanamafisana ny fanentanana eo anivon’ny fianakaviana mba hampitomboana ny fahatsapan’izy ireo fa filana fototra sy antoky ny fahasalamana ny fahampian’ny Vitamine A, ary hanentanana ny ray aman-dreny hanatona mivantana ny Toby AC indrindra fa ny CSB izay akaiky azy ireo.
Isaorana ny Fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, sy ny HKI, noho ny fiaraha-miasa nahafahana nanatanteraka izao hetsika izao.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
DRSP SOFIA - COMM. 21-janv.-2026
Zoom sur
Nos autres Activités
Lever de Drapeaux
18-nov.-2024ankon'ny fananganan-tsaina
Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, ny Tale Jeneraly misahana ny Tolotra...
Thème du mois
Andro Manerantany Iadiana amin'ny VIH/SIDA
Manan-danja ny lanonana tamin’ity taona ity, notronin’ny Minisitrin’ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo,...
Evenement
07-avril-2025FANKALAZANA NY ANDRO MANERANTANY HO AN’NY FAHASALAMANA 2025
"Fahasalamana mandritra ny fiterahana, miantoka ny ho avy feno fanantenana " izany no lohahevitra noentina nankalazana ny Andro manerantany ho an'ny...
Mendrika Izy
NOMENJANAHARY VOLOLONIAINA MICHELLE
izay 9 (sivy) taona niasana tao amin'ny CSB2 Bekoratsaka. Vehivavy mamy hoditra eo amin'ny fiaraha-monina ary hita taratra izany eo amin'ny...