ADY AMIN’NY VALAN’ARETINA MPOX
FARITRA ANALAMANGA
Manoloana ny valan’aretina mpox dia efa mandray andraikitra tanteraka ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Efa miasa tanteraka ireo CENTRE DE TRAITEMENT ET D’ISOLEMENT (CTI) miisa 5 eto ANALAMANGA ary efa mandray an-tanana maimaimpoana ireo marary. Misy koa ireo tranga ahiana izay ahiboka mba hiarovana ny tsy iparitahan’ny valan'aretina mandra-piandry ny valin’ny fitiliana.
Ireto avy ireo CTI : Andohatapenaka Itaosy Anosy Avaratra Bongatsara Anosiala
Tsara marihina fa raha misa tranga ahiahiana any amin’ny tokantranotsika any na any amin’ny fiaraha-monina dia aza misalasala miantso ny laharana maintso 910. Azo antsoina ihany koa io laharana io raha mila fanazavana fanampiny.
Afaka manatona the tobim-pahasalamana izay akaiky antsika koa isika raha misy olona marary ahiahiana
DIRCOM 22-janv.-2026