Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon'antoka OMS miara-mientana amin’ny ady amin’ny nendran-drajako

AMBOHIDAHY - ALAKAMISY 29 JANOARY 2026

Tonga eto Madagasikara ny Directrice régionale des urgences du Bureau Région OMS eto Afrika (AFRO). Rehefa avy nihaona tamin'ny ekipa COUSP central izy dia nidina tany Mahajanga niaraka tamin'ireo delegasiona tarihiny, izay toerana be indrindra voan'ny nendran-drajako eto Madagasikara.

Nihaona tamin-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka tao aorian'ny fiverenany, ka tamin'izany no nanambarany fa hita sy tsapa ny asa natao amin'ny ady amin'ny fiparitahan'ny Nendran-drajako (Mpox). Santionany amin'izany ny fampandehanana ny COUSP mba ifehezana ny valanaretina, ny fametrahana sy fampandehanana ireo Centre de Traitement et d'Isolement (CTI) isam-paritra, ny fandraisan'andraikitra hentitra hatramin'ny any ifotony, ary ny fananana fanaovana fitiliana malaky ireo tranga ahiahiana.

Nampatsiahy ny maha mpiara-miombon'antoka azy ihany koa ny OMS ao anatin'ny dingana manaraka amin'ny fifanakalozan-kevitra hijerena ny enti-manana amin'ny fanafarana vaksiny 30.000 fatra sy fanamafisana hatrany ny surveillance génomique, manampy ny fandraisan'andraikitra eny ifotony ary ny fanampiana ireo mpiantsehatra rehetra izay mandray anjara akaiky amin'ity ady amin'ny Mpox ity.

Sitraka sy telina no natolotry Ramatoa Minisitra ho an'ny Vondrona iraisam-pirenena OMS ary namerina hatrany ny OMS fa hiara-hisalahy amin'ny fanohanana ny Fitondram-panjakana sy ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka amin'ny fifehezana ny fiparitahan'ny Nendran-drajako eto Madagasikara.

 

MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Dircom 29-janv.-2026