FARITRA VAKINANKARATRA : FITOKANANA TOBIM-PAHASALAMANA FOTOTRA
Faly izy ireo satria nahazo zava-tsoa. Notokanana androany sabotsy 31 janoary 2026 tokoa mantsy ny CSB 2 miisa 4 teo amin’ny Distrikan’Antsirabe I : CSB2 Tsivatrinikamo, CSB2 Atsinanantsena, CSB2 EX-CSS, ary CSB2 Ambohimanarivo.
Olona mihoatran’ny 200.000 no mahazo tombotsoa amin’izao fotodrafitr’asa izao, izay porofo mivaingana fa laharam-pahamehana ho an’ny fitondram-panjakana ankehitriny ny fanomezana tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao. Nanao antso avo tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta izay nanotrona ity lanonana ity ny Filohan’ny fanavaozan’ny Repoblika : « Jereo izay afaka atao mba ny rehetra no hisitraka an’izao tolotra ara-pahasalamana izao ».
Raha nandray fitenenana kosa ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka dia nisaotra ny fiaraha-miasa sy mpiara-miombon’antoka izy, izay mpiara-dalana hatrany amin’ny Minisitera hatrizay : BNI Madagasikara, Fondation AXIAN ary ONG VAHATRA.
Aoka kosa isika rehetra mpampiasa izao foto-drafitr’asa izao mba hahay hikolokolo sy hampiasa izany am-pahendrena sy am-pahamendrehana, raha namarana ny lahateniny izy.
MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Dircom 31-janv.-2026