Ny fanatsarana ny Fahasalaman’ny zaza latsaky ny 5 taona, ny reny ary ny zokiolona mihoatra ny 65 taona

FANOMBOHANA OFISIALY NY HETSIKA FISOROHANA NY ARETINA LEFAKOZATRA (POLIOMYÉLITE) ARY FIANTOMBOHAN'NY FANAOVAM-BAKISINY FAOBE ANDIANY FAHA-II

Ndao hampanao vaksiny miaro amin’ny aretin’ny lefakozatra ho an'ny zaza sy ny ankizy latsaky ny 15 taona.

Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny hetsika fanaovam-baksiny miaro amin’ny lefakozatra andiany Faha-2 ny alatsinainy 8 hatramin'ny zoma 12 jolay 2024, teo ambany fiahian'i Ramatoa MIALY RAJOELINA, Reny Mpiahy ny Fanaovam-baksiny eto Madagasikara , ary notarihin' Andriamatoa Minisitry Ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, ny Fianakaviam-ben'ny Fahasalamana ary ireo Mpiara-miombonantoka.

 Hetsika fanaovam-bakisiny fiarovana amin'ny lefakozatra na Poliomyelite ary fizarana ihany koa ny Vitamine A, natao ho an’ny ankizy enim-bolana (06) ka hatramin’ny sivy amby dimampolo (59) volana ary ireo tsy nahazo ny fatrany nandritra ny enim-bolana lasa.

Maimaim-poana avokoa ny tolotra fanaovam-baksiny miaro amin'ny lefakozatra, ary azo antoka fa mitondra voka-tsoa eo amin'ny hery fiarovan’ireo zaza Malagasy izany.

SCM/DIRCOM 08-juil.-2024

Zoom sur

Nos autres Activités