DINIKA NIARAHAN-DRAMATOA MINISITRA SY NY MPIARA MIASA AO AMIN'NY FITALEAVAM-PARITRY NY FAHASALAMAM-BAHOAKA BOENY

Nisy ny fihaonan-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka tamin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny COUSP Boeny androany, izay natrehan’Andriamatoa Tale Jeneraly misahana ny Fisorohana ara-pahasalamana.

Nanao tatitra fohy sy nanazava mahakasika ny trangan’ny valanaretina MPOX tao an-toerana izy ireo.

Naneho fankasitrahana ny amin’ny ezaka vitan’ny mpiasan’ny fahasalamana ny Ramatoa Minisitra. Nanome toromarika ho fanatanterahana ny asa fitsaboana sy fandraisana an-tanana am-panajana sy am-pahamendrehana ny vahoaka ihany koa izy nandritra ny fandraisany fitenenana.

 

Tamin’ity fotoana ity ihany koa no niarahaban’ireo mpiasan’ny fahasalamana ao Boeny sy nirary soa azy amin’izao taona vaovao 2026 izao.

02-févr.-2026