Fijerena ny Maha Olona sy Fiahiana ireo Tra-boina ao Marovoay

Tonga nitsidika ireo vahoaka niharam-boina nandritra ny fandalovan’ny rivodoza “Fytia” tamin’ny faran’ny herinandro teo Andriamatoa Filoham-panjakana Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël sy ny vadiny. Notronin’ireo mpikambana vitsivitsy avy ao amin’ny Governemanta ary ireo olom-boafidy sy olom-boatendry avy ao amin’ny Faritra izy ireo.

Anisan’ny nandrafitra izany delegasionina izany Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr MANAGNA Monira, sy ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Nandritra ny fihaonana dia nitondra fanampiana ho an’ireo tra-boina ny delegasionina. Ramatoa Minisitra dia nanolotra fitaovam-pitarafana “radiographie” vaovao ho an’i Marovoay sy ny manodidina, mba hahafahan’ny mponina misitraka tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao. Nisy ihany koa ny fizarana fanafody isan-karazany entina manampy amin’ny fisorohana sy fitsaboana ireo vahoaka tra-boina.

 

03-févr.-2026