FITSIDIHANA IFOTONY – CHRD II MAROVOAY

Taorian’ny fijerena ireo tra-boina dia nandalo tao amin’ny CHRD II Marovoay Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, sy ireo mpiara-dia aminy.

Nitsidika sy nitafatafa tamin’ireo mpiasan’ny fahasalamana izy, ary nihaino manokana ny hetaheta sy ny fangatahan’izy ireo manoloana ny fanatanterahana ny asany andavanandro.

Nandritra ny fandraisany fitenenana dia nanome toromarika momba ny fanavaozana sy fanatsarana ny fandraisana ny marary Ramatoa Minisitra, izay tokony hatao lavitry ny kolikoly tanteraka ary hanana kalitao ho an’ireo vahoaka manatona ny toeram-pitsaboana sy ny biraom-panjakana. Nankasitraka ireo ezaka sy asa efa vitan’ny mpiara-miasa rehetra tsy an-kanavaka ihany koa izy, ary nanamafy fa manomboka amin’ny tsirairay ny fanovana eo amin’ny fanompoana ny firenena.

 

Nomarihin-dRamatoa Minisitra fa efa an-dalam-pandinihana ny fikarakarana ny fandraisana mpiasam-panjakana eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ho fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana.

03-févr.-2026