HETSIKA FANOHANANA AVY AMIN’NY MPIARA-MIOMBON’ANTOKA AMIN’NY ADY ATAO AMIN’NY NENDRAN-DRAJAKO

[FARITRA BOENY – MAHAJANGA]

Fitsidihana nataon’Andriamatoa Mpanolo-tsaina Avon’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Médecin Général MANANTENASOA Marcellin Zafitsandry Ranoelson, sy Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr MANAGNA Monira, tao amin’ny CHU Mahavoky Atsimo androany Talata 03 Febroary 2026.

Nandritra izany dia nisy ny fandraisana fanampiana maro samihafa, toy ny sakafo ilaina andavanandro (vary, menaka, ronono, siramamy), fitaovana fanadiovana (kofafa, savony, fanariam-pako, seau), fanafody isan-karazany ary fitaovam-piarovana toy ny gants latex, avy amin’ny ONG Direct Aid.

 

Naneho fankasitrahana feno ireo mpiasan’ny fahasalamana Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, manoloana ny fandraisana an-tanana sy fitsaboana ireo vahoaka miatrika ny valanaretina MPOX ao an-toerana.

Dircom 03-févr.-2026