FITAOVANA RAITRA, MANAVOTRA AINA NATOLOTRA HO FANOHANANA NY FAHSALAMAM-BAHOAKA
Ho fanamafisana ny fandraisana an-tanana ireo marary sy marefo, indrindra ireo tranga vonjy taitra, dia natolotra ireo “ambulances médicalisées” sy fitaovana ara-pahasalamana manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Anisan’izany ny “bouteille d’oxygène”, “concentrateur d’oxygène”, fandrian’ny marary ary “potences”, izay santionany ihany no naranty nandritra ny lanonana.
Ny Hopitaly Miaramila Antsiranana sy ny Centre Hospitalier Soavinandriana no misitraka ireo fanomezana ireo. Nohamafisin’ny Fitondram-panjakana tamin’izany ny fahavononany hanohana ireo hôpitaly mba hiatrehana am-pahombiazana sy am-pilaminana ireo tranga vonjy taitra, ho famonjena aina sy ho fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana.
Nanome voninahitra manokana ity lanonana manan-danja ity Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, niaraka tamin’ireo Mpanolo-tsaina Avon’ny Fanavaozana ny Repoblika. Nanotrona izany Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-dia aminy, ary ireo tompon’andraikitra ambony avy ao amin’ireo hôpitaly mpisitraka, ho mariky ny fiaraha-mientana ho an’ny fahasalamam-bahoaka.
Dircom 05-févr.-2026