FANOLORANA JIRO MANDEHA AMIN'NY HERIN'NY MASOANDRO HO AN'NY HOPITALY CHRR ANTSOHIHY

FARITRA SOFIA - FIARAHA-MIENTANA HO AN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA ENY IFOTONY

Tamin-kafaliana no nandraisan’ireo mpiasan’ny hôpitaly be CHRR Antsohihy ny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro, ny 05 Febroary 2026.

Isaorana manokana ny Solombavam-bahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny Distrikan’i Antsohihy, Andriamatoa TODIMANANA Befeno Hyacinthe, izay nisoloan’ny mpiara-miasa taminy tena namaly ny fangatahana ka nanolotra ireo “lampadaire” ho an’ny hôpitaly.

 

Hita taratra sahady ny fahampian-jiro sy hazavana sitrahan’ireo marary sy ny mpiasan’ny fahasalamana ao amin’ny CHRR Antsohihy, izay manampy amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny fitsaboana sy ny asa andavanandro.

Dircom 07-févr.-2026