FITANDROANA NY FAHASALAMAN'NY TRA-BOINA VOKATRY NY FANDALOVAN'NY RIVODOZA

FARITRA ATSINANANA - SDSP Toamasina I

Miroso avy hatrany amin’ny fanaraha-maso ny aretina sy ny fandraisana an-tanana ireo tra-boina marary mipetraka eny amin’ny site d’hébergement eto Toamasina ireo mpiasan’ny fahasalamana ao amin’ny SDSP Toamasina I.

 

Ho fampihenana ny vesatra mianjady amin’izy ireo, ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka dia miantoka maimaimpoana ny fanafody sy ny fitsaboana rehetra ampiasaina amin’izany.

Dircom 11-févr.-2026