FANOHANANA ARA-PAHASALAMANA HO AN’NY TRABOINA – TOAMASINA

Ao anatin’izao fotoan-tsarotra vokatry ny fandalovan’ny rivodoza “GEZANI” izao, ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka dia maneho hatrany firaisan-kina sy fiahiana ireo mponina tra-boina amin’ny alalan’ny famatsiana fanafody ilaina amin’ny fisorohana sy fitsaboana.

Ny 12 Febroary, dia nomarihina tao amin’ny toerana fandraisana ao amin’ny Sekoly Ziona Salazamay ny fanolorana fanafody ho fitsaboana maimaimpoana sy fitaovana ilaina amin’ny andavanandron’ireo tra-boina.

Nitarika ny delegasionina Andriamatoa Talen’ny Kabinetra eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, notronin’ireo manam-pahefana sy mpiara-miombon’antoka tao an-toerana.

Hamafisina fa manerana ireo toerana fandraisana miisa valo ao Toamasina dia misy mpiasan’ny fahasalamana avokoa, ary maimaimpoana ny fanafody sy ny fitsaboana atolotr’izy ireo.

 

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

12-févr.-2026