FANAMAFISANA NY FITOHIZAN’NY TOLOTRA ARA-PAHASALAMANA AO AMIN’NY CHU MORAFENO TOAMASINA
Mandray andraikitra am-pahavitrihana ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka nidina ifotony ao Toamasina, tarihin’Andriamatoa Talen’ny Kabinetra, mitety ireo toerana sy manao ny tombana momba ireo voina sy takaitra navelan’ny rivodoza amin’ireo rafitra ara-pahasalamana, anisan’izany ny tao amin’ny CHU Morafeno.
Dingana iray hirosona amin’ny fampandehanana tsikelikely ireo tolotra ara-pahasalamana ao amin’ny hôpitaly ny fampiasana ny “groupe électrogène 80 kva” eo anivon’ity toeram-pitsaboana lehibe ity.
Tao anatin’izany, nitsidika ny “bloc opératoire” ihany koa ny delegasionina, niaraka tamin’ny Talen’ny CHU Morafeno sy ny DAF eo anivon’ny CHU.
Ny tanjona dia ny fanamafisana fa anisan’ny filàna maika ny sampan-draharaha mikarakara ny fandidiana, satria ny fahasalamana dia zo fototra ho an’ny tsirairay.
Vokatr’izao dia ahafahan’io sampan-draharaha io miasa avy hatrany ho fanompoana ny fahasalamam-bahoaka.
13-févr.-2026