FITSIDIHANA SY FANOLORANA FANAFODY HO FANAMAFISANA NY FIANTOHANA NY FAHASALAMAN’NY TRA-BOINA
Toamasina – Site d’hébergement Saint Gabriel (Ambadikan’ny Stadium)
Nitohy androany Zoma 13 Febroary ny fidinana ifotony nataon’ireo delegasionina, nandalo tao amin’ireo hôpitaly lehibe tao Toamasina, nitsidika sy nanolotra fanafody ho fanampiana ireo mpiasan’ny fahasalamana, indrindra fa ireo tra-boina. Ireo fanafody ireo dia entina hiantohana ny fitsaboana maimaimpoana raha misy tranga tsy fahasalamana ao amin’ity toerana fandraisana (Site d’hébergement) ity.
Nitarika ny delegasionina Andriamatoa Talen’ny Kabinetra, nahitana an’Andriamatoa Tale Jeneralin’ny Fisorohana ara-pahasalamana, ireo Mpanolo-tsaina eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ary notronin’ireo avy ao amin’ny BNGRC sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny tao an-toerana
Dircom 13-févr.-2026