MITOHY HATRANY NY FANDRAISANA ANDRAIKITRY NY MINISITERA SY NY MPIARA-MIOMBON'ANTOKA EO ANILAN’IREO TRA-BOINA
Na dia eo aza ny fahasahiranana ateraky ny loza voajanahary, dia mijoro sy miasa tsy ankiato ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny mpiara-miombon’antoka aminy, manamafy ny fijerena akaiky ireo tra-boina eny anivon’ireo Site d’hébergement.
Ao anatin’izany hetsika izany, dia notanterahina ny fanolorana lay misy ody moka (moustiquaires imprégnées d’insecticides), fiarahana miasa miaraka amin’ny UNICEF, ho fiarovana ireo fianakaviana tra-boina amin’ny aretina azo avy amin’ny moka, indrindra amin’izao vanim-potoana mety hampitombo olana ara-pahasalamana izao.
Ny fandraisana izany dia natao tao amin’ny tokotanin’ny Hopitaly Kely Toamasina, notronin’Andriamatoa Talen’ny Kabinetra, Andriamatoa Tale Jeneralin’ny Fisorohana ara-pahasalamana, ireo Mpanolo-tsaina eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny UNICEF, ary ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Atsinanana.
Manaporofo izao hetsika izao fa miasa eny ifotony hatrany ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, miara-mientana amin’ireo mpiara-miombon’antoka, mba hiantohana ny fahasalaman’ny vahoaka sy hanomezana fanohanana ho an’ireo tra-boina.
13-févr.-2026