FANAMAFISANA SY FANARENANA NY RAFI-PAHASALAMANA SY FANOHANANA NY HÔPITALY AO TOAMASINA

Manoloana ny loza voajanahary farany nitranga, ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, amin’ny alalan’ireo iraka nalefa tany an-toerana, dia miezaka mitondra vahaolana haingana sy mahomby amin’ny fanarenana ny rafi-pahasalamana ary mijery akaiky ny fahasalaman’ny mponina ao Toamasina.

Ao anatin’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka, ny UNICEF dia nanolotra solika:
250 litatra ho an’ny “Groupe Électrogène” – CHU Analankinina
250 litatra ho an’ny “Groupe Électrogène” – CHU Morafeno

Ity fanomezana ity dia manamafy ny fahafahan’ireo hôpitaly mampandeha haingana ny fandraisana marary sy manohy famonjena ny ain’ireo marary ara-potoana.

 

Nanatrika izany Andriamatoa Talen’ny Kabinetra, Andriamatoa Tale Jeneralin’ny Fisorohana ara-pahasalamana, ireo Mpanolo-tsaina eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny UNICEF, ary ny Talen’ireo hôpitaly.

Dircom 14-févr.-2026