FANOHANANA SY FANOMEZANA FANAMPIANA HO AN’NY TRA-BOINA SY NY HÔPITALY AO TOAMASINA

Nanamarika ny Sabotsy 14 Febroary ny nifanesy ireo fanohanana avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka ho fijerena ireo tra-boina sy ho an’ireo CHU roa ao amin’ny faritra Toamasina.

Nandritra izany dia nisy:

  • Fanafody miisa 25 baoritra avy amin’ny OMS, ho fanampin’ireo efa voazara.

  • Matelas miisa 150 ho an’ny CHU Analakininina, avy amin’ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’i Toamasina I.

  • Matelas miisa 105 ho an’ny CHU Morafeno.

  • Tente lehibe ho an’ny CHU Morafeno sy ny Hôpital Kely Toamasina avy amin’ny UNICEF.

 

Ny fotoana dia notronon’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, anisan’izany ireo avy amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Andriamatoa Tale Jeneralin’ny Fisorohana ara-pahasalamana, ny avy amin’ny BNGRC, OMS, UNICEF, ny Talem-paritra mpisolo toerana, ary ireo Talen’ny CHU roa.

Dircom 15-févr.-2026