ZAVA-DEHIBE TOKOA HO AN’NY FITONDRAM-PANJAKANA NY FAHASALAMAN’NY MENAKY NY AINA

Mandalo sedra kely ireo ankohitriny noho ny firongatry ny Bronchiolites izay aretina manelingelina ireo zaza latsaky ny 2 taona.

Matetika dia miantomboka amin’ny sery izy io, lasa mikohoka ihany koa ary miafara amin’ny fahasahiranana eo amin’ny fomba fisefoan’ilay zaza. Na dia tsy aretina mananosarotra loatra aza, dia mila fanaraha-maso akaiky ka mitarika azy ireo hampidirina hopitaly mandritra ny andro vitsivitsy.

Androany dia nisy ny fihaonan-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr MANAGNA Monira, tamin’ireo tompon’andraikitra eny anivon’ireo hopitaly misahana ny reny sy ny zaza. Hitady vahaolana maika handraisana ireo sombiniaina tsy salama, satria efa manomboka feno ireo hopitaly mahazatra.

Teo ihany koa no nisy ny fitsidihana ny Village Voara eo Andohatapenaka. Vokatry ny firaisan-kinan’ireo Mpikambana eo amin’ny Governemanta dia tapaka fa atao handraisana vonjimaika ireo zaza tratry ny Bronchiolites ny Village Voara.

Noho ny fiaraha-mientan’ny rehetra dia vinavinaina hisokatra amin’ny Alarobia ho avy izao io toerana io.

Miasa miaraka ho an’ny fanovana, manasitrana ny firenena

Dircom 16-févr.-2026