AFRICA CDC – FANANGANANA SY FANAMAFISANA NY FIAROVANA SY NY FAHAVITAN-TENA ARA-FAHASALAMANA HO AN’NY AFRIKA
Nanatanteraka fihaonambe nandritra ny roa andro tao Addis Abeba ny 13 sy 14 Febroary, izay nandraisan’ireo Minisitra misahana ny Fahasalamana sy ny Fitantanam-bola ary ireo mpiara-miombon’antoka. Isan’ny nandray anjara tamin’izany ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Dr MANAGNA Monira.
Nifantoka tamin’ny lohahevitra hoe “Fampandrosoana, fiarovana sy fahavitan-tena ara-pahasalamana aty Afrika (AHSS): fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny tompon’andraikitra misahana ny fitantanam-bola sy ny fahasalamana” ity fihaonana ity, niompana tamin’ny fanamafisana ny paikady ho entina manatsara ny fahasalamana.
Nivoitra nandritra ny fandraisan-dRamatoa Minisitra anjara ny fomba fijery fa:
“Ny fahasalaman’ny vahoaka no laharam-pahamehana tsy azo iadian-kevitra. Tsy maintsy ovaina ny fomba fijery: ny fahasalamana dia fampiasam-bola mampandroso firenena, fa tsy vesatra ara-tsosialy.”
Nisongadina tamin’ity fihaonana ity ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ho entina manavao ny famatsiam-bola ho an’ny fahasalamana.
Miasa miaraka ho an’ny fanovana, manasitrana ny firenena.
Dircom 17-févr.-2026