FANAMAFISANA NY RAFI-PAHASALAMANA MISY ETO MADAGASIKARA

Manamafy ny fandraisan’andraikiny amin’ny fanatsarana ny rafi-pahasalamana eto Madagasikara ny Fanjakana Malagasy amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Tanterahina anio ary haharitra roa andro ny atrik’asa jery todika sy fanavaozana ny fifanarahana fiaraha-miasa amin’ny Governemanta Amerikanina, izay nosoniavina ny 22 Desambra 2025 ka haharitra 5 taona. Ny antony lehibe amin’izao fikaonan-doha izao dia ny hahazoana antoka fa mifanaraka tanteraka amin’ny zava-misy sy ny filàn’ny vahoaka Malagasy mivantana ny fepetra sy paikady rehetra hapetraka.

Mitentina 134 tapitrisa dolara ny fanohanana avy amin’ny Governemanta Amerikanina, ary 41 tapitrisa dolara kosa ho entin’ny Governemanta Malagasy manatsara ny sehatry ny fahasalamana eto Madagasikara.

Kendrena amin’ity fanavaozana ity ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpiasan’ny fahasalamana mba hahazoan’ireo vahoaka misitraka tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao sy manaraka ny fenitra.

Tsy adino ny fametrahana rafitra fanaraha-maso hentitra sy mahomby ary ny fitantanana mangarahara hiantohana ny fanatanterahana araka ny tokony ho izy ity fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana Malagasy sy ny Governemanta Amerikanina, izay hisy fiantraikany mivantana amin’ny vahoaka Malagasy.

Dircom 18-févr.-2026