VILLAGE VOARA : TOERANA VONJIMAITA HANDRAISANA IREO ZAZA TRATRY NY BRONCHIOLITE
Manoloana ny fiakaran’ny tranga bronchiolite mahazo ireo zaza latsaky ny roa taona, dia nandray fepetra maika sy hentitra ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Taorian’ny fitsidihana ara-teknika tao amin’ny Village Voara, notarihin-dRamatoa Minisitra Dr MANAGNA Monira, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra misahana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, dia napetraka ho toerana vonjimaika manokana handraisana ireo zaza voan’ny bronchiolite ny Village Voara.
Efa vonona tanteraka ny fotodrafitr’asa sy ny fitaovana ilaina rehetra, ahitana fandriana sy kojakoja fitsaboana, fitaovana fanampiana amin’ny fisefoana (oxygène), potence sy fanafody ilaina, ary ekipa mpitsabo sy mpanampy efa nahazo fiofanana manokana.
Efa voalamina ihany koa ny rafitra famindrana ireo marary avy eny amin’ireo toeram-pitsaboana mahazatra mankany amin’ny Village Voara. Marihina fa eny anivon’ireo toeram-pitsaboana mahazatra ihany ireo zaza marary no entina, ary maimaimpoana ny fandefasana ireo zaza mankany amin’ny Village Voara raha ilaina izany.
Manamafy hatrany ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fa laharam-pahamehana ny fiarovana ny ain’ny reny sy ny zaza, ary mitohy tsy an-kijanona ny ezaka ho fanamafisana ny rafi-pahasalamana manerana ny Nosy.
Izany rehetra izany dia tanteraka noho ny fiaraha-mientan’ny mpikambana eo anivon’ny Governemanta, ny mpiara-miombon’antoka ary ireo tompon’andraikitra mpitsabo ny reny sy ny zaza.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA FIRENENA.
Dircom 18-févr.-2026