FANDALOVAN' NY SAMBO PAQUEBOT
FANDALOVAN' NY SAMBO PAQUEBOT "HAMBURG" TAO TOLAGNARO: VOARINDRA SY VOAFEHY NY NY ANDRIMASO ARA-PAHASALAMANA
Nandray ny sambo mpitondra mpizahatany "Hamburg" ny seranan-tsambon’i Ehoala. Manoloana ny loza mitatao amin’ny valanaretina "MPOX", nisy ny fidinana ifotony nataon’ny ekipan’ny DRSP Anosy tao amin'ny "Port Ehoala".
Tanjona ny hanamafisana ny fanaraha-maso ara-pahasalamana eny amin’ireo vavahady fidirana rehetra, hisorohana ny fidiran’ny aretina avy any ivelany.
Ity hetsika ity dia vokatry ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny:
Ny fahasalamana (DRSP)
Ny Fizahantany
Ny mpitandro filaminana
Ny Douane
DIRCOM 20-mars-2026