FANENTANANA SY FAMPORISIHINA IREO SEFO FOKOTANY HIARA-MIENTANA AMIN'NY ADY AMIN'NY ARETINA MPOX

Nanao fanentanana sy famporisihana (plaidoyer) tamin’ireo sefo fokontany ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka mba hiaraha-mientana amin’ny ady amin’ny aretina Mpox.

Sefo fokontany miisa 60 no tonga nanontrona izany fihaonana izany.

Nisy ihany koa ny fampianarana sy fanazavana momba ny aretina Mpox, ny fomba fisorohana ary ny fepetra tokony horaisina amin’ny tranga ahiahiana, ho fanamafisana ny fahaizan’ireo sefo fokontany amin’ny fanentanana ny mponina eny ifotony. Izy ireo tokoa mantsy no tena eny akaikin’ny vahoaka. 

Izao no tanteraka dia noho ny soroka miara-milanja niarahana tamin’ny STRIDES/U.S. Department of states ???????? 

MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA

DIRCOM 20-mars-2026