Fidinana ifotony hijerena ireo fotodrafitr'asa simba vokatry ny fandalovan'ny Rivodoza
Tonga ao Toamasina ny Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta, notronin'ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta ka anisan'izany Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ary nanatrik'izany ihany koa ireo olom-boafidy sy olom-boatendry isan-karazany avy ao amin'ny Faritanin'i Toamasina.
Avy hatrany dia nisy ny : fidinana ifotony tao amin'ny Toby miaramila "RM3 Analakininina" sy ny "Hopitaly Be" na Centre Hospitalier Universitaire Analakininina Toamasina. Izany moa dia mba nijerena ny fahavoazan'ireo fotodrafitr'asa vokatry ny fandalovan'ny Rivodoza "GEZANI", mba hitondrana ny vahaolana maika, fohy ezaka sy lavitra ezaka miaraka amin'ireo mpiara-miombon'antoka.
Teo ihany koa ny fiatrehana ny fivoriana tao amin'ny "Centre opérationnel", izay nanaovana tatitra ireo asa vita taorian'ny fandalovan'ny Rivodoza, ho fanampiana ny vahoakan'i Toamasina sy fanarenana tsikelikely ny tanàna.
DIRCOM 21-mars-2026