TOAMASINA : FIDINANA IFOTONY NIJERENA NY FAHASIMBANA TAORIAN'NY FANDALOVAN'NY RIVODOZA

Anisan'ireo fotodrafitr'asa maro, voa mafy taorian'ny fandalovan'ny Rivodoza "GEZANI", ny biraon'ny Fitaleavam-paritry ny fahasalamam-bahoaka Atsinanana, ny CHU Morafeno ary ny CSB II Antetezambaro.‎

Androany dia mijery izany eny an-toerana ny delegasiônina tarihin-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, miaraka tamin'ireo mpiara-miombon'antoka maro izay tena naneho ny fahavononany hiara-hiasa amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, ka hiara-hanarina ireo takaitra sy  faharavana ireo. ‎

MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA 

DIRCOM 21-mars-2026