FANDRAISANA ANDRAIKITRA MAIKA HO FANARENANA NY SEHATRY NY FAHASALAMAM-BAHOAKA – TOAMASINA

‎Mitohy ny ezaka ho fanarenana sy fiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka taorian'ny fandalovan'ny Rivodoza "GEZANI".‎

‎Taorian’ny fidinana ifotony nijerena ny fahasimban’ny hôpitaly, ny ACSSQDA, ary ireo CSB ao amin’ny SDSP Toamasina I sy II, dia notanterahana ny fivoriana notarihin-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, niaraka tamin’ny tompon'andraikitra voalohan'ny OMS Madagasikara sy natrehan'ireo mpiara-miombon’antoka maro misehatra amin'ny lafiny fahasalamana eto Madagasikara.

‎Natao ny adisisika sy fanentanana ho fandraisan’andraikitra, mba hanarenana haingana ny simba sy hiantohana ny fitohizan’ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny vahoaka.‎

MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA

DIRCOM 21-mars-2026