FISOROHANA ATAO AMIN'NY ARETINA TAZOMOKA - DRSP SOFIA

Anisan'ny mampirongatra ny tazomoka ny fisian'ny lobolobo sy rano mihandro, izany indrindra no antony nanadiovana ny tokontanin'ny Fitaleavam-paritry Fahasalamam-bahoaka SOFIA ny androany alahady. 

Niarahana tamin'ireo mpianatra avy ao amin'ny "Institut de Formation en Paramédical de la Sofia" na IFPS ao an-toerana izany.

Tolorana fisaorana ireo mpianatra sy mpanabe izay notarihin'ny "Chef pédagogique" ary niara nisalahy tamin'izany fanadiovana izany ihany koa ny mpiasan'ny "DRSP" SOFIA  izay notarihin'ny Andrimatoa Tale. 

Nanararaotra tamin'ity fotoana ny "Responsable programme paludisme",  nanentana ireo mpianatra amin'ny tokony hatao rehetra hiadivana amin'ny aretina azo avy amin'ny kaikitry ny moka.

MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

DIRCOM 22-mars-2026