FIHAONANA TEO AMIN-DRAMATOA MINISITRY NY FAHASALAMAM-BAHOAKA SY NY MPIASAN'NY FAHASALAMANA ETO TOAMASINA
Taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza GEZANI dia tsy afa-bela tamin’ny fahavoazana ny mpiasan’ny fahasalamana eto Toamasina. Maro no rava trano sy simba fananana, kanefa mbola nijoro hatrany nanohy ny asa fitsaboana sy nanompo ny vahoaka ?.
Androany dia nitsidika sy nihaona tamin’izy ireo ny delegasiona avy ao amin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka , izay notarihin'ny Ramatoa Minisitry ny fahasalamam-bahoaka , nitondra fankaherezana sy fankasitrahana noho ny fahavononana ary ny fandraisana andraikitra mialoha sy taorian’ny rivo-doza.
Nisy ihany koa ny fanolorana fanampiana ara-tsosialy MBA ho fanohanana ireo mpiasan'ny fahasalamana traboina.
Taorian'izany dia nisy fifanakalozan-kevitra misokatra nahafahan’ny mpiasan’ny fahasalamana naneho ny hetahetany sy ny olana sedrainy. Namaly sy nanome toky ireto tompon’andraikitra ireto, fa hitady vahaolana sy hiaro hatrany ny tombontsoan’ny mpiasan’ny fahasalamana.
Hafatra avy amin-dRamatoa Minisitra:
Aoka isika hifanaja , hifanohana ary hifankatia ka hiara-hanandratra indray ny hasin’ny asa fitsaboana ho tombontsoan’ny vahoaka Malagasy.
MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA
DIRCOM 23-mars-2026