FANOLORANA FITAOVANA HO AN’NY COUSP ATSINANANA
Natolotra omaly ny fitaovana ho fampandehanan-draharaha, ny ivon-toerana mitantana ny fifehezana ireo vonjy taitra ara-pahasalamana (COUSP) eto anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Atsinanana.
Izany dia natao nandritra ny fitsidihan-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka tao amin’ny Hopitaly kely, ka ny Talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka Atsinanana, mpisolo toerana no nandray izany sady nanome toky fa hampiasaina sy ho kojakojaina tsara ireo fitaovana ireo, ary hamafisina hatrany ny fanaraha-maso sy ny fifehezana ny valan’aretina indrindra amin'izao fotoana aorian'ny rivo-doza izao.
Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka
OMS Madagascar
MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA
DIRCOM 23-févr.-2026