TONTOSA NY FIVORIAN’NY MPISEHATRA AMIN’NY FAHASALAMAN’NY ZATOVO SY NY TANORA TAO TAOLAGNARO

Nandritra ny 3 andro nisesy dia nifanome tanana ireo hery velona rehetra tao Anôsy, tamin'ny alalan'ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamàm-bahoaka (DRSP), nanao jeritodika sy nandravona ny paikady ho an’ny Fahasalaman'ny Zatovo sy Tanora.

Nandray anjara mavitrika tamin'izany  avokoa ireo manampahefana isan-tsokajiny izay nahitana ny : 

Solotenan'ny Solombavam-bahoaka voafidy tao Taolagnaro.

Solotenan'ny Ben'ny Tananan'ny Taolagnaro.

Solotenan'ny Faritra Anôsy.

Solotenan'ny Fileovan'ny Taolagnaro.

Ny Filoha Lefitrin'ny Fitsarana (juge des enfants par intérim).

Notronin'ireo Ray aman-dreny ara-drazana tao an-toerana.

Nifarimbona tamin'izany koa ny fitaleavam-paritra rehetra voakasiky ny tontolon'ny fahasalaman'ny zatovo sy tanora ary ny avy ao amin'ny Centre Vonjy Taolagnaro, CECJ Taolagnaro, ny solotena avy ao amin'ny "Doctors for Madagascar." ny solotena avy ao amin'ny "Croix Rouge Malagasy" indrindra fa ireo mpanao gazety eo anivon'ny radiom-panjakana sy tsy miankina.

Tanjona: Tanora salama, mandray andraikitra, ary manana hoavy mamirapiratra.

Isaorana ny mpiaramionantoka UNICEF tamin'ny fanohanana.

MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA FIRENENA.

DIRCOM 24-mars-2026