Valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety : Fanamafisana ny Fahasalaman’ny Reny sy ny Zaza
Ho fanamafisana ny fisorohana ireo aretina azo sorohana amin’ny alalan’ny fanaovam-baksiny, dia hisy ny fifaninanana asa an-gazety miompana amin’ny vaksiny, manomboka ny 27 Febroary ka hatramin’ny 27 Martsa 2026.
Ny lahatsoratra, fandaharana na fanadihadiana nivoaka nanomboka ny Janoary 2024 ka hatramin’ny Martsa 2026 no afaka hidiana sy handray anjara amin’ity fifaninanana ity.
Fifaninana misokatra ho an’ireo:
• Mpanao gazety an-tsoratra
• Fahitalavitra
• Radio
• Gazety an-tserasera (presse en ligne)
Ity hetsika ity dia iarahan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina, ary ny UNICEF manatanteraka.
Tanjona ny hanandratra ny kalitaon’ny asa fanaovan-gazety mahakasika ny vaksiny sy hampitombo ny fahalalan’ny vahoaka, ho fanatsarana sy fanamafisana hatrany ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza.
Ho hentitra sy mangarahara ny fifaninanana, ary antenaina ny fandraisana anjara mavitrika avy amin’ireo mpanao gazety rehetra manerana an'i Madagasikara.
MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
DIRCOM 24-mars-2026