AKOM-BAOVAO TAMIN'NY FANDALOVAN-DRAMATOA MINISITRA TANY AMIN'NY FARITRA ATSINANANA TOAMASINA - FANOLORANA FANAFODY HO FANDRAISANA AN-TANANA NY TRA-BOINA

Ho fiantohana ny fisian'ny fanafody tsy tapaka izay hampiasaina amin'ny fandraisana an-tanana ireo tra-boina mipetraka eny anivon'ny "site d'hébergement" sy hanaovana valibontana raha misy hamehana ara-pahasalamana na valan'aretina dia nanolotra fanafody milanja 7 taonina sy fitaovana maro, ho an’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny "OMS" eto Madagasikara. 

Ny Prof. Laurent MUSANGO, "Representant Résident OMS" eto Madagasikara no nanolotra izany, ary Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr.  MANAGNA Monira no nandray izany tao an-toerana, sady nankasitraka ny OMS Madagasikara noho izay fandraisana andraikitra sy fiaraha-mientana ho fitandroana ny fahasalaman'ny vahoaka Malagasy izay Izy.

MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

DIRCOM 25-mars-2026