Ady amin’ny "MPox" ao Farafangana : Fampahafantarana ho an'ireo "Travailleurs de Sexe"
Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana – Mitohy hatrany ny ezaka amin’ny fisorohana ny "MPox", na dia tsy mbola nisy tranga voamarina aza tao amin’ny Faritra. Natao ny fampiofanana sy fanentanana ho an’ireo "Travailleurs de Sexe" tao an-toerana mba hanomezana fahalalana sy hampitombo ny fahafahan’izy ireo misoroka ny aretina.
Ity hetsika ity dia natao niaraka tamin’ny fiaraha-miasa amin’ny "Croix-Rouge" Malagasy sy ny Direction Régionale de la Population et des Solidarités ary notohanan’ny "Jeunesse pour la Paix et l’Éducation (JPE)".
Miisa 29 ireo nanatrika ny fampiofanana. Hantenaina fa izy ireo indray no hampita ny fahalalana amin'ireo namany hafa.
Izao moa dia ampahany amin’ny paikady nasionaly hiarovana ny mponina amin’ny "MPox", ary maneho ny fanoloran-tena mitohy ataon’ny Minisitera amin’ny fampiroboroboana ny fisorohana sy ny fampahafantarana ny aretina amin’ny Faritra rehetra.
MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA
DIRCOM 26-mars-2026