FAHASALAMAN'NY RENY SY NY ZAZA : MISOKATRA NY FIFANINANANA ASA AN-GAZETY MIOMPANA MANOKANA AMIN'NY VAKSINY
Ho fanamafisana ny fiaraha-miasa amin'ny mpanao gazety, dia misokatra manomboka anio 27 febroary ny fifaninanana asa an-gazety miompana manokana amin'ny fampahafantarana sy fanentanana ho amin'ny fisorohana ny aretina amin'ny alalan'ny fanaovan-gazety.
Ireo mpanao gazety rehetra manerana ny Nosy, na avy amin’ny haino aman-jery an-tsoratra, am-bava na amin’ny fahitalavitra ary an-tserasera, dia afaka mandray anjara avokoa.
Tanjon’ity fifaninanana ity ny hampiroborobo ny asa fanaovan-gazety matihanina sy tompon’andraikitra, ary hanamafisana ny fampahafantarana sy fanabeazana ny vahoaka mikasika ny maha-zava-dehibe ny vaksiny amin’ny fiarovana ny Reny sy ny Zaza ary ny fiarahamonina manontolo.
DIRCOM 27-mars-2026