FANAMAFISANA FANARAHA-MASO KALITAO ARA-PAHASALAMANAN'NY SAKAFO
- Fifanaovan-tsonia teo amin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ny FAO ho an'ny tetik'asa fanamafisina ny fanaraha-maso ny kalitao ara-pahasalaman'ireo sakafo jifaina eto MADAGASIKARA amin'ny alalan'ny fitsirihana ara teknika ireo singa
- Dingana lehibe iray ho fiarovana ny Fahasalaman'ireo vahoaka izao tetik'asa izao hoy Atoa Ministrin'ny Fahasalamam-bahoaka Prof Zely Arivelo RANDRIAMANANTANY satria fototra iray iankinan'izany ny sakafo, ary manana andraikitra lehibe amin'izany ny ministera.
- Fiatombohana Ihany izao amin'ny alalan'ny famatsiana ireo Fitaovana sy toby fitsirihana raitra ary maro Ihany koa ny fanamby ahafahana manome tolotra miaro ireo mpanjifa sakafo eto MADAGASIKARA.
#Eo anilanao hatrany ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka.
SCM/DIRCOM 10-juil.-2024