FIDINANA IFOTONY NATAON-DRAMATOA MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA TENY ANIVON'NY CENTRE DE TRAITEMENT ET D'ISOLEMENT ANDOHATAPENAKA

Izay marary andrianina. Vao nigadona an-tanindrazana Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira dia tonga nitsidika avy hatrany ny CTI (Centre de Traitement et d’Isolement) etsy Andohatapenaka, niaraka tamin’ireo teknisianina eo anivon’ny Minisitera sy ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny COUSP (Centre des Opérations d’Urgence de Santé Publique) nasionaly.

Marihina fa ankehitriny dia mandray marary 12 voamarina sy 4  tranga ahiana ity tobim-pitsaboana ity, ka misy zaza 8 taona anatin’ireo tranga ahiana.

Tao anatin'izany dia nohamafisina sy noresahana ihany koa ny mety ho fanohanana ara-tsaina (soutien psychologique) ho an’ireo marary, satria tsy mora ny miaina ny fitokana-monina na ny "isolement". Ity fandraisana andraikitra ity dia manamafy ny fanoloran-tenan'ny Minisitera amin'ny fikarakarana feno, manampy ireo marary amin'ny fanatsarana ny fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina. 

Nanambara Ramatoa Minisitra fa manao ny ezaka rehetra ny Fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao hisorohana ny fiparitahan’ity valanaretina ity, ary ny fitohizan'ny fiaraha-miasa akaiky amin’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra.

Teo am-pamaranana dia nankahery ireo mpiasan’ny fahasalamana izy, ary nanome toky fa tsy hamela azy ireo ho irery ny Minisitera amin’ny fanatanterahana ny adidiny.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

DIRCOM 27-mars-2026