HETSIKA ARA-PAHASALAMANA TAORIAN’NY RIVODOZA
Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza "GEZANI" dia nitsidika ny mponina tao Ambatoharanana, Kaominina Ambanivohitra Miarinarivo, Distrikan'i Vavatenina, ireo mpiasan’ny fahasalamana notarihin’Andriamatoa "Médecin Inspecteur", ho fanohanana ireo mponina tra-boina.
Nisy tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana natolotra, izay nahitana fizaham-pahasalamana ankapobeny, fanalana nify, fanaovam-baksiny sy fandanjana zaza, fizahana tazomoka sy diabeta, fitiliana sifilisy sy VIH, fizahana ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza ary fizarana lay misy odimoka, ka maro ireo nisitraka izany hetsika izany.
Nandritra izany dia nisy kabary nifandimbiasan’ny Tangalamena, ny Sefom-pokontany, ny "Médecin Inspecteur" ary ny "Délégué d’Arrondissement" tao amin’ny Kaominina Ambanivohotra Miarinarivo, ny solotenan’Andriamatoa Lehiben’ny Distrika, izay naneho fankasitrahana ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka, nanohana sy niara-niasa tamin’ny fanatanterahana izao fizaham-pahasalamana eny ifotony izao.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
DIRCOM - Copyright COMM DRSP ANALANJIROFO 28-mars-2026