FIHAONAM-BEN'IREO MINISITRA MISAHANA NY FAHASALAMANA HO AN'IREO FIRENENA MIKAMBANA AO ANATIN’NY
Ny 24 febroary 2026 dia nanatanteraka fivoriana tao Johannesburg, ireo Minisitra misahana ny Fahasalamana rehetra mpikambana eo anivon'ny vondrona "SADC", ary anisan'ny nandray anjara tamin'izany Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara, Dr. MANAGNA Monira.
Tanjona tamin’ity fivoriana ity ny handinihana sy hanombanana ny toe-pahasalaman’ny mponina amin’ny ankapobeny ao amin’ny Faritra atsimon’i Afrika, indrindra ireo olana goavana mikasika ny fahasalamam-bahoaka.
Nifantoka manokana tamin’ny fiatrehana ireo hamehana ara-pahasalamana sy ny fihanaky ny valanaretina, ny fahavononana hiatrika krizy ara-pahasalamana, ary koa ireo aretina lehibe toy ny raboka na ny tiberkilaozy, ny tazomoka, ny tsifanjarintsakafo, ary ny VIH/SIDA ny dinika.
Nandritra ny fivoriana dia nohamafisina ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin’ireo Firenena mpikambana ao amin’ny "SADC", mba hanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana, hampitomboana ny fahavononana hiatrika loza sy valanaretina, ary hanatsarana ny fisitrahan'ny vahoaka tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao sy maharitra.
Ity fihaonana ity dia maneho indray ny fahavononan’ireo Firenena mikambana ao amin’ny "SADC" ny amin’ny fanamafisana ny rafi-pahasalamana sy ny ady iombonana amin’ireo aretina mbola mipetraka ho olana aty amin’ny kontinanta Afrikanina.
Nandritra io fotoana io dia nisy ny ady sisika izay nataon-dRamatoa Minisitra mba hanao soroka miara-milanja amin'i Madagasikara ireo Firenena hafa ao amin'ity vondrona Afrikana ity, izay naneho ny fahavononany hiaraka hifanohana amin'ny Madagasikara ho fanatsarana hatrany ny tolotra ara-pahasalamana izy ireo.
DIRCOM 28-mars-2026