FANATSARANA NY FAHASALAMAN'NY VEHIVAVY : Haitaky ho fanatsarana ny zon'ny fahasalamana ara-pananahana

Sarobidy ho an’ny Firenena ny fananana vehivavy sy reny salama, satria izy ireo no andry iankinan’ny fianakaviana sy ny fampandrosoana maharitra. Noho izany, isan’ny laharam-pahamehan’ny Fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny fampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny fanatsarana hatrany ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza.

Ho fanamafisana izany vina izany, dia notanterahina androany 2 martsa ny dinika an-databatra boribory, notarihin-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, niaraka tamin-dRamatoa Minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina, RAHARINIRINA Sidonie. Nandritra izany no nandinika lalina ireo paikady sy fepetra hentitra ho entina manatsara sy miaro ny zo ara-pahasalamana ara-pananahana sy ara-piterahana ho an’ny vehivavy rehetra.

Tanjona amin'izao hetsika izao ny hanatsara ny kalitao sy ny fahazoana tolotra ara-pahasalamana mifototra amin’ny fanajana ny zo maha-olona; hampitovy lenta ny fahafahan’ny vehivavy rehetra manerana ny Nosy indrindra mahazo fitsaboana tsara kalitao ary hanamafy ny tolotra ara-pahasalamana eny ifotony, mba hahatrarana ireo Faritra lavitra sy marefo indrindra.

Fanamby iombonana ny fanatsarana ny fahasalaman’ny vehivavy, ary mitaky fiaraha-mientan’ny sehatra rehetra izany, ho fanorenana Firenena salama sy matanjaka.

MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA,MANASITRANA FIRENENA.

Dircom 02-mars-2026