FANATSARANA NY FAHASALAMAN'NY RENY SY ZAZA

Vain-dohan-draharahan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana eto Madagasikara, indrindra ny fahasalaman’ny Reny sy ny Zaza. Tafiditra ao anatin’izany ny fanamafisana ny Fandrindrana Fiainam-Pianakaviana, izay anisan’ny fototra iankinan’ny fahasalamam-bahoaka sy ny fampandrosoana maharitra.

Noho ny fiaraha-mientana sy ny ezaka niraisan’ny rehetra dia nankasitrahan’ireo mpiara-miombon’antoka maneran-tany i Madagasikara, ka nahazo ny mari-pankasitrahana “Innovation and Leadership” nandritra ny "International Conference on Family Planning 2025" izay notanterahina tany Bogota, Colombia tamin’ny volana Novambra lasa teo.

Natolotr’i Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira ho an’ireo mpiantsehatra rehetra amin’ny Fandrindrana Fiainam-pianakaviana ity mari-pankasitrahana ity manomboka eny ifotony ka hatrany amin’ny ambaratonga ambony : mpanentana ara-pahasalamana, mpiasan’ny fahasalamana, ary mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny.

Mariky ny firaisankina sy ny ezaka iombonana ity mari-pankasitrahana ity, ary porofon’ny fahavononan’ny tsirairay hanatsara hatrany ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA FIRENENA.

DIRCOM 02-mars-2026