DISTRIKAN'I ANKAZOABO - MIAINGA ENY IFOTONY NY FANDROSOANA : fanatsarana ny fahasalamana eny anivon'ny fiaraha-monina

Ho fanamafisana ny rafi-pahasalamana sy ho fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana, dia manohy ny ezaka efa  nataony ny "SDSP" Ankazoabo izay tarihin'ny "Médecin Inspecteur" sy ny "chef CSB" amin’ny fananganana rafitra matanjaka sy maharitra eo anivon’ny fiaraha-monina.

Taorian’ny fanofanana ireo "Mpanentana ara-pahasalamana" eny anivon’ny Fokontany (Agents Communautaires), dia miroso amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao eny anivon’ireo "CSB" mpiahy indray izy ireo ankehitriny. Izany dia mba hahafahan'izy ireo mandray an-tanana ireo aretina mahazatra mpahazo ny zaza latsaky ny dimy (05) taona sy ny mampiroborobo ny paik'ady Fandrindrana ny fiainam-pianakaviana.

Notoloran' ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fitaovana avy ireo (AC) miisa 273 tao anatin’ny Distrikan’i Ankazoabo  ahafahan'izy ireo manatanteraka ny asany ho an'ny vahoaka ary ankasitrahana hatrany ny fanohanana avy amin'ny mpiara-miombon'antoka "Fonds Mondial"

Dircom/ copyright : DRSP ATSIMO ANDREFANA - COMM 03-mars-2026