FANATSARANA NY FAHASALAMAN'NY VEHIVAVY : Haitaky ho fanatsarana ny zon'ny fahasalamana ara-pananahana

Tanterahina mandritra ity herinandro ity, hatramin’ny alakamisy 05 martsa 2026, ao amin’ny CHU Andrainjato Fianarantsoa ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpiasan’ny fahasalamana amin’ny fizahana, fandraisana an-tànana ary fanaraha-maso ireo zaza manana olana ara-pahasalamana amin’ny fo.

Marihina fa misy ny fandraisana an-tànana maimaimpoana ho an’ireo zaza voakasika, tohanan’ny "Association Chaîne de l’Espoir" sy ny "AFD" (Agence Française de Développement), izay ankasitrahana manokana noho ny tan-tsoroka izay atolony. 

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Dircom / copyright DRSP MATSIATRA AMBONY - COMM 03-mars-2026