FANOMBOHANA OFISIALY NY VAKSINY MPOX : MANAMAFY NY FIAROVANA NY FAHASALAMAN’NY VAHOAKA

Centre Hospitalier Soavinandriana – Alakamisy 05 Martsa 2026

Notanterahina tao amin’ny Hopitaly Miaramila CENHOSOA Soavinandriana, Antananarivo, ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny fanaovana vaksiny hiadiana amin’ny aretina Mpox eto Madagasikara, ka andiany voalohany misy 30 000 fatra no natomboka tamin’izany. Olona 150.000 no hisitraka izany vaksiny izany. Marihina fa maimaimpoana ny fanaovana vaksiny ary an-tsitrapo. Ny fampidirana ny vaksiny Mpox dia isan’ireo paikady napetraky ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka hanamafisana ny fisorohana sy hiadiana amin’ity aretina ity, ho fiarovana bebe kokoa ny fahasalaman’ny vahoaka Malagasy.

Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta Andriamatoa RAJAONARIVELO Herintsalama, ny Minisitry ny Foloalindahy Andriamatoa Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely, ary ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira, niaraka tamin’ireo solontenan’ny mpiara-miombon’antoka isan-karazany, toy ny UNICEF Madagascar sy ny OMS Madagascar, ary ireo tompon’andraiki-panjakana sy manam-pahefana samihafa.

Nisy avy hatrany ny fanaovana vaksiny maimaimpoana, izay natomboka tamin’ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ireo olona nanatrika teny an-toerana. Ndao hiara-hientana fa ny firaisan-kina no handresentsika ny Mpox.

 

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA

DIRCOM 05-mars-2026