FAMBOLEN-KAZO 2026 :

Tafiditra ao anatin'ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny vehivavy, dia nisy ny fiarahana namboly hazo notarihan-dRamatoa Elisa RANDRIANIRINA, Vadin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, nontronin'ny vadin'ireo Mpanolon-tsaina Avon'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, ny vadin'ny Praiminisitra Lehiben'ny Governemanta, ireo vehivavy mpikambana eo anivon'ny Governemanta, isan'izany Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira ary vadin'ireo tomponandraikitra ambony eto amin'ny Firenena, izay notanterahina tao amin'ny Fokontany Ambohimahavelona, Kaominina Talata Volonondry ny maraina ny 6 Martsa 2026. Tonga niara-nisalahy ireo mpiara-miasa vehivavy marobe eny anivon'ny sampan-draharaham-panjakana ireny.

Nanamarika ny andro androany ihany koa ny fiarahan'ny fianakaviam-ben'ny Fahasalamana nanatanteraka ny adidy masina ho an'ny Tanindrazana, ka teny amin'ny Kaominina Ambanivohitra Bongatsara no nanatanteraka ny fambolen-kazo ireo mpiasa eto anivon'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka.

Zana-kazo miisa 2000 no voavoly tamin’ity andro ity, manarona velaran-tany 4 hektara. Manan-danja lehibe amin’ny fahasalaman’ny vahoaka ny fananana tontolo iainana madio sy rakotra ala, izay manampy amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny rivotra sy hanatsara ny fahasalaman'ny tontolo iainana.

 

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA FIRENENA

Ny Fitaleavana ny Serasera. 06-mars-2026