Androany dia tonga nitsidika ireo reny sy ny zaza voan’ny aretim-pisefoana "Bronchiolites" ao amin’ny Village Voara ireo avy ao amin’ny Comité de normalisation des institutions musulmanes eto Madagasikara, notarihan’ny Cheik Hamada Chanfi.
Nitondra fanampiana izy ireo toy ny :
• Vary amin’ny gony
• Ronono
• Tavoahangy oxygène
Anaty "ramadan" moa izy ireo amin’izao fotana izao ka manana adidy sy andraikitra mijery sy miahy ny zaza manana olana ara-pahasalamana, anisan’izany ny olana ara-pisefoana.
Tonga nandray izany fanohanana izany ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, nisaotra sy nankasitraka izao fihetsika izao ny tenany ary nanambara fa hanampy tokoa amin’ny fandraisana ireo sombiniaina marary ireo ireto fitaovana ireto.
Nanentana ireo Ray aman-dreny kosa izy mba tsy hanao ambanin-javatra ny fiarovana ny fahasalaman’ny zaza fa hanao aro vava sy orona hatrany raha vao misy soritra voan’ny sery na dia kely aza ary hanasa tanana matetika amin’ny rano sy savony hatrany. Fihetsika mety ho kely izany hoy izy fa hitondra fiarovana lehibe ho an’ny zaza.
Ny Comité de Normalisation des Institutions Musulmanes dia miara-miasa amin’ny Fifanampiana Centre Rassoul Akram (FCRA) izay santatra am-bavarano ihany izao fa ny manetsa be mbola ho avy.
MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.