AKON'NY HETSIKA SOSIALY DIDIPOITRA FAOBE MANERANA NY NOSY
AKON'NY HETSIKA SOSIALY DIDIPOITRA FAOBE MANERANA NY NOSY
Ny vanim-potoana ny ririnina dia atokan’ny Malagasy hamoràna ny zazalahikely, ahafahany mijoro maneho ny maha lehilahy
Zava-dehibe izany fomba izany ka toy ny isan taona dia mikarakara « Didipoitra faobe » MAIMAIM-POANA manerana ny distrika iray manontolo ho fanalefahana ny fahasahiranan’ireo Ray aman-dReny mba hitsinjovana ny fahasalaman’ireo zazalahikely manerana ny Nosy ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka
Hatramin’ny nanombohan’ny hetsika dia manodidina ny 24 000 ny zazalahikely efa nisitraka ny didipoitra faobe teny amin’ny tobimpahasalamam-panjakana manerana ny Faritra 23 hatreto.
Mbola mitohy hatrany ity hetsika ity mandritra ny vanim-potoana ny ririnina.
Ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia eo anilanao hatrany
SCM/DIRCOM 19-juil.-2024